29 marsa 1947
( ( ( Ny momba ny amin'ny 29 marsa 1947 ) ) )
Notontosain'i Fano RAKOTOARISOA -
fandaharana t@
alarobia 31 martsa 1999
52 taona amin'ity taona 1999 ity no nitrangan'ny vanim-potoana navaivay teo amin'ny tantaram-pirenen-tsika malagasy, dia ny vonoan'olona nataon'ny mpanjanaka frantsay tany Madagasikara tamin'ny 1947 izany.
Iza marina tokoa moa no tsy nitanatana vava sy nangoritsika teo ampihainoana an'i Dadabe na i Nenibe, na i Dada sy Neny -ho an'ny efa zokinjokiny amintsika- mitantara ny zava-nitranga sy niainany tamin'ny 47 izany ?
Fa ankoatr'ireny tantara lovan-tsofina ireny, inona marina izao no tena mba fantatsika taty aoriana momban'izany "Raharahan'ny 47" izany ?
Betsaka ny boky efa voasoratra, na amin'ny teny malagasy na amin'ny teny vahiny momban'izany "fikomiana tamin'ny 1947" izany, fa raha bangoina amin'ny teny fohy ny lazain'izy rehetra ireny dia hoe " Niady sy nitraotra nitsipaka ny jiogan'ny fanjanahan-tany ny mahery fo tia tanindrazana malagasy, ary dia betsaka no namoy ny ainy ".
Dia miala avy eo, toa sadaikatra sy mihanahana ny fisainana sy ny eritreritra, indrindra rehefa mahalala fa tsy misy taratasy ofisialy mihitsy milaza sy mitantara ny tena fandehan-javatra tamin'izany fotoana izany. Tsy fantatra marina ny tena isan'ny maty fa dia misy ny milaza hoe 10 000 (iray alina), nefa misy koa no miteny hoe nahatratra 500 000 (dimy hetsy). Ny rakitra ofisialin'ny fitondrana frantsay -na ny "archives"- moa dia mbola tsy azo jerena hatramin'izao.
Ary rehefa fantatra koa hoe olona miandany amin'ny hery ankavia, ary sosialista tahaka an-dr'i Marcel De Coppet na ry François Mitterand no anisan'ny tompon'antoka tamin'izany vono olona izany , dia voa maika mivoraka ny loha. Ny sosialista izay ianteheran-tsika amin'izao fotoana izao, na eo amin'ny fitakiana ny zo maha vahiny an-tsika aty an-tanin'olona aty, na eo amin'ny fanampiana ny tany an-dalam-pandrosoana ohatran'i Madagasikara.
Anisan'ny misarika an-tsika hanana fijery hafa sy hanokatra ny mason-tsika momban'io "Raharahan'ny 47" io ny lahateny nosoratan'i Solo RAMAMONJISOA tao amin'ny Gazety Kanadianina "Afrique Tribune", ary nomeny ny lohateny hoe " Madagascar 29 Mars 1947: Un génocide ignoré". Betsaka ny zavatra voalaza ao anatin'io lahatsoratra io, ary mifanipaka amin'izay fantatra sy lazaina mandrakariva momban'ny "Raharahan'ny 47".
Ary dia lazain'i Solo RAMAMONJISOA ao fa " vono-moka " na "génocide " no nataon'ny frantsay tany Madagsikara tamin'ny 1947 fa tsy ady mazava "hiarovan-tena " amin'ny mpanohitra ny fanjanahan-tany akory. Ary tokony ho melohina araka izany ny Fitondrana frantsay, ary hakana honitra, tahaka ny nakana honitra tamin'ny alemana nazi, na ny turka tamin'ny namonoany ny armenianina. Dia voalaza ao koa ny andraikitra noraisin'ny malagasy sasantsasany teo amin'ny fanampiana ny frantsay hanatontonsa izany vono olona izany.
Tsy sanatria akory hoe finiavana tia hamoha "fota-mandry" na hamelona ny tsy fitiavana ny frantsay, fa betsaka ny zavatra tokony mbola ho fantatr'isika tanora momba ny tena tantaran'io Madagasikara io.
....
Randria
16 Mar 2009, 01:53
Miasotra aloha nampatsiahy.
Ny tena isan'ny olona maty aloha dia tsy fantatra. Ary 29 marsa foana ny antsika no voalaza. Tahaka ny hoe iray andro ilay izy.
Ny marina dia nitohy io, ary nisy tokoa ny fampitahorana: tahaka ny fanantonana ny vatamangatsikan'ireo mahery fo eraky ny tanĂ na, na ny lohany fotsiny, na hafa nasaina nihady ny lavaka ilevenany...
Tamin'ny tolona 2002 dia namoritra avy any ivelany tokoa lafrantsa. Tena niroborobo be tao anatin'ny malagasy tokoa ny tsy fitiavana frantsay tamin'izay.
Nony tafapetraka ny fitondran-dRavalomanana, dia asa raha tia hanena ny fankahalana ny Frantsay na ahoana. Fa dia ny filoham-pirenena frantsay Chirac mihitsy no tonga tany Madagasikara, nanaiky ny fisian'ny famonoana.
Ny isa nolazainy anefa tsy tadidiko tsara fa eo amin'io 10 000 nambaranao io. Izay inoako fa na ny tamin'ny faritra Ambositra iny fotsiny aza die efa mihoatra an'izay.
Ny lasa tsy fanadino hoy izy namaly, raha niteny Ravalomanana hoe aoka ny lasa homba ny lasa.