Fitsapan-kevibahoaka 2009 [Referendum]
Fitsapan-kevibahoaka | [Referendum]
Manoloana izao savorovoro misy eto amin'ny tany sy fanjakana Malagasy izao dia nana-pakevitra ny fitondram-panjakana izay tarihan'Andriamatoa RAVALOMANANA Marc fa hampanao fitsapan-kevi-bahoaka mba hiverenan'ny filaminana haingana eto Madagasikara. Mety ho mitovitovy amin'zao manaraka izao ny endriky ny fanontaniana izay hitsapana ny hevitry ny vahoaka malagasy iray manontolo izay feno 18taona no ho miakatra mandritra io fotoana io.
Araka izany:
- raha ekenao ny hanohizan'ny Filoha RAVALOMANANA Marc ny ny fitondrany ny Firenena mandra-pahatapitry ny fe-potoana 5 taona izay nahavoafidy azy tamin'ny taona 2006 ka hatramin'ny desambra 2011 dia safidio ny "ENY"
- raha tsy ekenao kosa izany dia fidio ny "TSIA"
Misaotra Tompoko.
Natao teto "Online" Androany faha 16 martsa 2009.
Ny fiadidiana ny Repoblika Virtoaly Malagasy eto amin'ny Aterineto.
---------------------------------------------------------------- Aza dia mora tezitra moa e. Ny hafatra tiana hampitaina tamin'iny dia tsotra. Efa tena ao anatin'ny vovon'ny fitapitaka sy lainga i Madagasikara tanindrazatsika @ zao fotoana izao. Noho izany dia ilaina ny mitandrina @ tsaho rehetra izay miely na eto antoerana na any ivelany fa mety tena mahafaty tampoka. Izay no nahatonga ny Ntaolo niteny hoe:"ALEO MIFANENA @ MPAMOSAVY TOY IZAY MIFANENA @ MPANDAINGA". Koa raha ho raikitra ihany io "Referendum" io, dia entanina ny rehetra mba hitandrina @ fitaka sy hosoka tahaka ireny. Misaotra fa tena Olon-kendry tokoa ny malagasy sasany hatreto. Dia mamerina ny fialantsiny t@ ireo izay tafintohina fa andrana ihany ny ahy iny.
EFA METY TSARA @zay IZY IO IZAO KOA DIA ENTANO NY NAMANA HANDRAY ANJARA
Misaotra.
Randria
29 marsa 1947
( ( ( Ny momba ny amin'ny 29 marsa 1947 ) ) )
Notontosain'i Fano RAKOTOARISOA -
fandaharana t@
alarobia 31 martsa 1999
52 taona amin'ity taona 1999 ity no nitrangan'ny vanim-potoana navaivay teo amin'ny tantaram-pirenen-tsika malagasy, dia ny vonoan'olona nataon'ny mpanjanaka frantsay tany Madagasikara tamin'ny 1947 izany.
Iza marina tokoa moa no tsy nitanatana vava sy nangoritsika teo ampihainoana an'i Dadabe na i Nenibe, na i Dada sy Neny -ho an'ny efa zokinjokiny amintsika- mitantara ny zava-nitranga sy niainany tamin'ny 47 izany ?
Fa ankoatr'ireny tantara lovan-tsofina ireny, inona marina izao no tena mba fantatsika taty aoriana momban'izany "Raharahan'ny 47" izany ?
Betsaka ny boky efa voasoratra, na amin'ny teny malagasy na amin'ny teny vahiny momban'izany "fikomiana tamin'ny 1947" izany, fa raha bangoina amin'ny teny fohy ny lazain'izy rehetra ireny dia hoe " Niady sy nitraotra nitsipaka ny jiogan'ny fanjanahan-tany ny mahery fo tia tanindrazana malagasy, ary dia betsaka no namoy ny ainy ".
Dia miala avy eo, toa sadaikatra sy mihanahana ny fisainana sy ny eritreritra, indrindra rehefa mahalala fa tsy misy taratasy ofisialy mihitsy milaza sy mitantara ny tena fandehan-javatra tamin'izany fotoana izany. Tsy fantatra marina ny tena isan'ny maty fa dia misy ny milaza hoe 10 000 (iray alina), nefa misy koa no miteny hoe nahatratra 500 000 (dimy hetsy). Ny rakitra ofisialin'ny fitondrana frantsay -na ny "archives"- moa dia mbola tsy azo jerena hatramin'izao.
Ary rehefa fantatra koa hoe olona miandany amin'ny hery ankavia, ary sosialista tahaka an-dr'i Marcel De Coppet na ry François Mitterand no anisan'ny tompon'antoka tamin'izany vono olona izany , dia voa maika mivoraka ny loha. Ny sosialista izay ianteheran-tsika amin'izao fotoana izao, na eo amin'ny fitakiana ny zo maha vahiny an-tsika aty an-tanin'olona aty, na eo amin'ny fanampiana ny tany an-dalam-pandrosoana ohatran'i Madagasikara.
Anisan'ny misarika an-tsika hanana fijery hafa sy hanokatra ny mason-tsika momban'io "Raharahan'ny 47" io ny lahateny nosoratan'i Solo RAMAMONJISOA tao amin'ny Gazety Kanadianina "Afrique Tribune", ary nomeny ny lohateny hoe " Madagascar 29 Mars 1947: Un génocide ignoré". Betsaka ny zavatra voalaza ao anatin'io lahatsoratra io, ary mifanipaka amin'izay fantatra sy lazaina mandrakariva momban'ny "Raharahan'ny 47".
Ary dia lazain'i Solo RAMAMONJISOA ao fa " vono-moka " na "génocide " no nataon'ny frantsay tany Madagsikara tamin'ny 1947 fa tsy ady mazava "hiarovan-tena " amin'ny mpanohitra ny fanjanahan-tany akory. Ary tokony ho melohina araka izany ny Fitondrana frantsay, ary hakana honitra, tahaka ny nakana honitra tamin'ny alemana nazi, na ny turka tamin'ny namonoany ny armenianina. Dia voalaza ao koa ny andraikitra noraisin'ny malagasy sasantsasany teo amin'ny fanampiana ny frantsay hanatontonsa izany vono olona izany.
Tsy sanatria akory hoe finiavana tia hamoha "fota-mandry" na hamelona ny tsy fitiavana ny frantsay, fa betsaka ny zavatra tokony mbola ho fantatr'isika tanora momba ny tena tantaran'io Madagasikara io.
....
Randria